ActualitésTsidika

Taolagnaro: Mitohy ny fanamboarana sy fanarenana ny lalam-pirenena faha-13

Mitohy  ny ezaka fanamboarana sy ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-13 (RN 13) amin’izao fotoan izao. Lalana izay mampitoh an’I Taolagnaro sy Ambovombe, ao amin’ny faritra Anosy. Ny orinasa Colas no misahana ny fanamboarana ny lalana, araka ny voalaza, izay eo ambany fiahian’ny ministera misahana ny asa vaventy.

“Mitohy ny asa fanamboarana sy fanarenana ny lalam-pirenena. Efa tonga eo amin’ny tetezan’i Ranopiso ny « travaux de terrassement » sy ny fanamboarana ireo « points noirs » ankehitriny.

Mandroso ihany koa ny fanamboarana ny « base vie » sy ny fanaovana ny « terrassement » eny amin’ny « carrière » ary ny fametrahana ny « central d’enrobé » ao amin’ny kaomininan’i Manambaro » hoy ny avy ao amin’ny ministera.

« Miezaka hatrany ireo tomponanraikitra misahana ny asa vaventy amin’ny fanamboarana ireo lalam-pirenena tahaka izao. Tokony ho tohizana hatrany anefa izany ezaka izany, indrindra ny fahavitan’ny asa mialohan’ny fiavian’ny orana mba hialana amin’ny fahasimbana sy ny olana samihafa hateraky ny vanim-potoan’ny fahavaratra » hoy i Nambinina, teknisianina momba ny lalana.

Ny lalana no anisan’ny mampisy fandrosoana. Raha tsy misy ny lalana, tsy afaka ny hiserasera sy hifandray ny mponina eto Madagasikara. Tsy tokony atao ambanin-javatra araka izany ny fanamboaran-dalana, fa mba hanaraka ny fenitra, tsara kalitao, mba haharitra ho lovain’ny zanaka amam-para.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire