ActualitésTatitraTsidika

Maurice : I Rashid Ahmine no handimby an’i Satyajit Boolell

I Rashid Ahmine no voafidy hisolo toerana an’i Satyajit Boolell eo amin’ny toeran’ny talen’ny fampanoavana ao amin’ny PP na « Poursuites Publiques ». Notendren’ny « Judicial and Legal Service Commission » omaly 21 desambra ny tenany ary hanomboka hiasa androany.

Manana traikefa an’io asa sahaniny io i Rashid Ahmine. Malaza amin’ny famahana raharaha tena sarotra izy, anisan’izany raharaha an’ny Boskalis sy ny raharaha nifanandrenan’ny NPF sy ny Mauritius Commercial Bank. Nianatra lalàna tao amin’ny oniversiten’i Liverpool tao Royaume-Uni kosa izy ary nahazo LLB tamin’ny taona 1992.

Tamin’ny taona 1994 izy no nanomboka niasa tao amin’ny tribonaly tao Maurice, nanatevin-daharana ny AGO (Attorney General) kosa izy ny volana febroary 1995 ary niverina naka LLM tao Royaume-Uni ny taona 2004 rehefa nahazo vatsim-pianarana « britannique Chevening ».

Laisser un commentaire