Herinaratra : Mety hisy fiakarany hatramin’ny 15% isan-taona.
Dépêche 22 décembre, 12h, Nisy ny fanambarana ny vinavina ny fandanina ny herinaratra eto Madagasikara. Noho ny fiankina-doha be loatra amin’ny fampiasana ireo herinaratra avy amin’ny rano dia miakatra ny filàna ka ny vidy no tsy maintsy hampiakarina mba hahafahana manome tolotra mahafapo ny rehetra. Vinavinaina hiakatra hatramin’ny 15% isan-taona izany ka mety hahatratra hatramin’ny 0.22dolara isaky ny KWH izany amin’ny 2025 raha 0.15dolara isaky ny KWH amin’izao fotoana izao. Efa miasa amin’izao fotoana izao ny « tarif optima » izay natokana ho an’ireo orinasa hahafahana mampihena ny fandaniana. Tokony ho jerena manokana ihany koa ny fampiroboroboana ny fampiasana ireo angovoa zo havaozina hafa.
