Masindray : Lehilay iray hita faty tao amoron’Ikopa
Lehilahy iray no hita faty, manamorona ny ranon’ikopa, teny akaikin’ny Batou Beach, hiditra an’ny kaominina Masindray tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha ny voalaza, tsy nisy nahafantarana azy intsony ity lehilahy ity ary noraisin’ny kaominina an-tanana ny fikarakarana ny razana.
« Tsy nisy nahafantarana ny razana intsony tamin’ny nahitana azy teo amoron’ikopa, ny alatsinainy atoandro teo. Hanentanana sy hiantsoana ireo mety mahafantatra azy na mahalala azy fa efa nokarakaraina ary nalevina eny Ampanobe Masindray ny razana » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.
« Mampalahelo ny tranga tahaka izao. Raha ny fahitana ny razana aloha mety maty an-drano ary efa nilona ela tanaty rano ilay razana. Tsy nisy ihany koa na taratasy nahafantarana ny momba azy teo akaikiny » hoy ireo mponina teo amin’ny manodidina.
Eo ampiandrasana izay mety mahafantatra ny momba ity olona namoy ny ainy ity araka izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary manentana ny amin’ny filazam-baovao ho an’ireo olona akaiky azy na manodidina azy.
Manitra Ramanantsoa
