Zambie : Lasan’i Hakainde Hichilema ny fitondrana
Lasan’i Hakainde Hichilema tamina vato 2,8 tapitrisa ny fitondrana raha ny nambaran’ireo misahana ny fifidianana ao an-toerana ny alin’ny alahady teo. 59 ity lehiben’ny mpanohitra ao an-toerana ity ary nifanandrindra tamin’i Edgar Lungur izy izay efa mpifaninana aminy hatrizay.
Tamin’ny roa ora sy sasany maraina teo i Esau Chulu, filohan’ny vaomeran’ny fifidianana no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny antontan’isa. Vato 2.801,757 no azon’i Hakainde Hichilema raha 1.814.201 kosa ny an’i Edgar Lungu. Iray tamin’ireo boriboritany 156 ao an-toerana kosa no mbola tsy nivoaka ny antontan’isa saingy tsy ampiova ny valin’ny fifidianana izay raha ny fanazan’ny tompon’andraikitra.
