SocialTatitra

Côte d’Ivoire : Nahitana tranga Ebola iray tao Abidjan

Tovovavy guinéenne 18 taona iray no nahita trangana Ebola ny zoma teo tao Abidjan. Vao roa volana lasa nefa ity firenena akaikin’i Côte d’ivoire no afaka tamin’io valan’aretina io. Niala tao amin’ny tanànany tao Labé ao Guinée tamin’ny 11 aogositra ity tovovavy ity raha ny fanazavan’ny minisitra Pierre Demba ka tranga “importé” izany ity tranga ity.

Manana vaksiny hiadiana amin’ny Ebola i Côte d’ivoire raha ny fanambarany hatrany. Hiatrika ny fanaovam-baksiny avy hatrany ireo olona voakasik’izany akaiky azy ireo, anisan’izany ny mpiasan’ny fahasalamana misahana izany, ireo mifandray amin’ny marary mivantana ary ireo miaro ny sisin-tany.

Laisser un commentaire