SocialTsidika

Itaosy : Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana voasambotry ny SAG

Lehilahy iray 29 taona mpano fanafihana mitam-piadiana no nosamborin’ny Polisin’ny « Service Anti-Gang » (SAG) ny Alarobia 11 Aogositra 2021 teo ho eo amin’ny iray ora tolakandro.

Raha ny vaovao, olona tsara sitrapo iray no nampandre ny polisy fa misy jiolahy mipetraka eny amin’iny faitra Itaosy iny. Nidina avy hatrany teny en-toerana ireo Polisin’ny SAG nanamarina izany ka tratra tao an-tranony ity jiolahy ity. Nentina avy hatrany teny amin’ny Biraon’ny Polisy BC Anosy ity farany hanaovana fanadihadihana. Fantatra tamin’ny fakana ambavany azy fa efa asisan’ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadina eto Antananarivo Renivohitra ity ary isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana ny Jumbo Score Antsahabe tamin’ny 20 Martsa 2020 ity farany. Ny Alakamisy 12 Aogositra 2021 no efa natolotra ny fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire