SocialTsidika

Morarano Anjeva : Namboarina ny lava-drano

Lava-drano miisa 3, izay efa tsy nahazo rano intsony, no nohalalinina sy nodiovina mba hahavita hamatsy rano indray ny tanàna ao Anjeva Gara. Ritra tokoa mantsy ny ankamaroan’ny lava-drano amin’izao noho ny hafanan’ny tany be loatra sy ny fiovaovan’ny teotr’andro. »Fantsakana iray vaovao eo Morarano Avaratra no namboarina hanampy ireo efa misy mba hamaliana ny fitarainan’ny mponina manoloana ny faharitran’ny lava-drano » hoy ny tompon’andraikitra eo amin’ny Kaominina Anjeva Gara. « Tena mijaly rano izahay eto, tsy misy anefa ny vola ho entina hanamboarana ny lava-drano ka isaorana ny kaominina indrindra amin’ny fanampiana hatrany ny vahoaka » hoy i Yollande, mponina ao Morarano. »Ny rano dia aina, ny any atsimo aza efa tsy fidiny amin’ny tsy fisian’ny rano dia isika eto Antananarivo ve dia hijaly rano koa, mila mandray vahaolana ny mpitondra isan’ambaratongany amin’ny fanampiana hatrany ny vahoaka » hoy i Gerard, mpampianatra eny amin’ny licée. Azo lazaina ho voavaha ny olan’ny rano ao anatin’ity tanàna iray eto Anjeva Gara ity ary ezahina hatrany ny hamahana ny olana eny ifotony mba hisian’ny fandrosoana.Tsy tokony hiandry ny fitondrana foana anefa fa afaka mihetsika araka ny fahaiza-manaontsika isika tsirairay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire