Brésil : Zaza roa maty noho ny fisotroana savony fanasan-damba
Fianakaviana iray no very zanaka roa tao anatin’iray andro monja. Mpianadahy kely 3 taona sy 13 taona no nijanona irery tao an-tranony tao Bahia, ao avaratra atsinanan’i Brésil. Nisotro vokatra fanasan-damba tsy nahy nefa ilay zazalahy kely telo taona raha nikasa nisotro zava-pisotro. Nanomboka narary sy tsy nahatsiaro tena ilay zaza ka natsiaro tena meloka ilay zokiny ka namono tena ary nisotro io vokatra io ihany koa.Ireo mpiray vodirindrina kosa no nampandrehy ireo mamonjy voina ary nentina tany amon’ny hopitaly izy mianadahy saingy tsy tana intsony ny ainy. Nanokatra fanadihadina kosa ireo manam-pahefana hanazavna marina io raharaha io.
