PolitiqueTatitra

Taiwan: Sambo sinoa efatra tazana tao amin’ny fari-dranomasina tsy azo aleha

Nanao fanambarana i Taipei fa nahatazana sambo sinoa efatra tao amin’ny fari-dranomasina tsy azo aleha ao an-toerana, ka niantso an’i Pékin mba hanatsahatra izany fomba manohitohina sy manakorontana ny fandriam-pahalemana an-dranomasina izany any an-toerana. Tao amin’ny faritra atsimon’ny nosy Kinmen, any amin’ny 5km miala ny tanàna sinoa no nahatazanana ireto sambo ireto, izay efa faritra voarara tsy azon’ireo aleha, araka ny fanazavana. Tsy vao izao no nisehoan’izao tranga izao. izany moa dia vokatry ny ady sisin-tany mba haka an’i Taiwan. Nohamafisin’i Chine izany tao anatin’ny iray taona izao, ka anisan’ny tetik’adiny ny mandefa ireo sambo ao an-toerana sy ireo angidim-by sy fiaramanidina manodidina ity nosy ity.

Laisser un commentaire