ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Mitohy ny fandehanana ifotony sy fanentanana mahakasika ny hetra

Nitohy tao amin’ny fokontany Ampahimanga ny hetsika kaominina manakaiky vahoaka sy fanentanana mikasika ny hetra, ataon’ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Nanamarika ny fanentanana tao an-toerana ny fahamaroan’ny mponina tao an-toerana sy ny fanehoan-kevitra, araka ny voalaza.

« Anisan’ny nampitaraina ny maro ny fandaminana eo amin’ny fanaovana andrimasom-pokonolona sy ny fitakiana vola 5000ar isan-tokatrano ho an’ireo tokan-trano tsy mandefa olona hanatanteraka ny fiambenana. Hisy avy hatrany ny fepetra ho raisina mikasika izany  » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Noresahina nandritra izany ihany koa ny mahakasika ny jiro cobra maty amin’ny lalam-be. Eo ihany ny kalitaon’ny rano sy ny fampidirana rano fisotro madio ho an’ireo fangatahana efa lasa. Ny mahakasika ny lalan-kely ary ny fananganana kabone iombonona  » hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Maro ireo olana sedrain’ny mponina ao amin’ny fokontany. Nisy anefa ireo soson-kevitra naroso enti-mamaha izany ao an-toerana ka samy handray ny andraikitra tandrify azy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny.

Laisser un commentaire