SocialTatitra

Côte d’Ivoire : Olona 13 voasaringotra tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina no nahiditra am-ponja

Olona 13, voasaringotra tamin’ny fanondranana zava-mahadomelina, cocaine, no voasazy higadra 10 taona an-tranomaizina tany Côte d’Ivoire. Ny volana aprily 2022, maherin’ny roa taonina ny cocaine tratra tao amin’ny tanàn-dehiben’i Abidjan sy San Pedro. Ity no trangana fanondranana  zava-mahadomelina goavana indrindra niseho tao an-toerana, raha ny voalaza. Nahatratra hatramin’ny 41 milliards CFA ny vidin’izany ary olona manodidina ny 30 no nanaovana fanadihadiana tamin’izany. Tamin’ity herinandro ity, taorian’ny telo volana niakaran’ireo olona 13 isa  ny fampanoavana, dia voampanga amin’ny fanaovana trafika eo amin’ny sehatra irsaim-pirenena ireto farany ary mpikambana anaty fikambanan’ireo mpanao ratsy. Ankoatra ny fanagadrana azy ireo, dia mandoa onitra hatramin’ny 50 tapitrisa tsirairay izy ireo.

Laisser un commentaire