Etats-Unis : Iza moa i Woody Allen?
Mpanatontosa sy mpilalao horonantsary, mpanoratra ary mpanao hatsikana avy ao Amérique i Woody Allen. Teraka ny 1 desambra 1935 tao New York izy arakin’ny angon-drakitra samihafa saingy teraka ny 30 novambra kosa izy arakin’ny « autobiographie » manokany.Nanoratra tantara an-tsehatra sy tantara fohy maromaro ihany koa i Woody Allen ary efa miakatra an-tsehatra matetika amin’ny maha « clarinettiste de jazz » azy.
Isan’ireo mpanatontosa horonantsary fanta-daza indrindra sy namokatra indrindra tao anatin’ny dimampolo taona farany teo i Woody Allen. Ny hatsikana momba ny fomba amam-panao, matetika momba ny « psychanalyse » no sehatra tena ankafiziny na dia misehatra amin’ny sokajy hafa ihany aza izy. Efa nahazo mari-pankasitrahana maro tamin’ny horonantsary novokariny i Woody Allen, nahazo « Oscars du meilleur réalisateur et meilleur scénario original» miisa efatra izy.
54 kosa ny horonantsary notontosain’i Woody Allen teo anelanelan’ny taona 1965 sy 2021, 57 no nosoratrany, 49 no nolalaoviny ary 20 ny horonantsary fanadihadiana nandraisany anjara. Anisan’ireo horonantsary novokariny be mpankafia ny Annie Hall (1977), Match Point (2005), Manhattan (1979), Minuit à Paris (2011),…
