Ambohijanaka : Hisy ny lalao « match amical triangulaire »
Hisy ny lalao « match amical triangulaire » rahampitso. Ao amin’ny kianjan’ny Masindray no hanantanterahana izany lalao fifaninana izany. Efa nisy hatrany ny lalao fifaninana baolina kitra teo aloha.
Manomboka amin’ny valo (08) ora maraina no manomboka ny fifanandrinana eo amin’ny U8, U10, U13, U15 ary ny U17 ho an’ny lehilahy. Araka izany anarany hoe match amical triangulaire izany dia ekipa telo no hifanandrina amin’ny lalao izay atao, ny avenir Bentogolo, ny Asut Pépinières ary ny Academy Buffalo masindray.
Ho an’ny ekipa vehivavy kosa dia manomboka amin’ny valo ora maraina ihany koa ny fanazaran-tena ao amin’ny kianja Ambohijanaka.
Famenontsoa Rajerison
