Rugby Maki vehivavy : Nahazo fanampiana avy amin’ny Komity Olympika Malagasy
26 Aogositra, 12h15, Omaly alakamisy 25 aogositra no tonga teny amin’ny kianjan’ny Rugby Andohotapenaka ny solombavam-bahoaka voafidy tao Toliara, sady filohan’ny Komity Olimpika Malagasy, Siteny Randrianasoloniaiko, nanolotra fanampiana vola mitentina 10 tapitrisa ariary, ho an’ i ireo Mpilalao ao amin’ny ekipam-pirenena Rugby Malagasy vehivavy. Entina hanohanana ireo ekipam-pirenena amin’ny fiatrehana ny amboara eran-tany izay ho atao any Cape Town, ao Afrika, no anton’izany.
