ActualitésTsidika

Kolontsaina : Tsy dihy fotsiny ihany ny Hazolahy fa misy fomba hampiasana azy

Tany am-boalohany dia voatokana amin’ny fahafatesan’ny Ampanjaka Antesaka no fiahina (kapohina) ny Hazolahy ary tsy mijanona raha tsy tafapetraka amin’ny toerany ny Ampanjaka vaovao.

Taty aoriana dia maro ny fotoana azo hifihana hazolahy. Olona voatokana no mifia hazolahy.

Fanairana ny manodidina ny hazolahy amin’izay zavatra miseho no sady manamarika ny halehibeny, ny hasiny sy ny lanjany. Izay no nahatonga ny anaram-dihy ho Hazolahy. Mialohan’ny fifihana hazolahy dia tsofin’ny lehilahy iay amin’ireo taraaky ny vehivavy ny anjombona.

Manetsika tongotra, ny Tanana sy ny sandry ary ny loha ny mpandihy lehilahy. Indraindray mandohalika sy mitsingoloka ihany koa. Ny vehivavy kosa mampandih malefadefaka ny kibo, ny valahana, ny sandry sy ny Tanana ary ny loha.

Misikina lambaoany sy misatroka ny vehivavy ary ny lehilahy kosa dia tsy misy fitafiana voatokana fa asiana fehiloha vita amin’ny volom-borona langoro (vorompotsy) eo ambonin’ny handriny.

Hazolahy sy aponga kely no zava-maneno ampiasaina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire