RN4: Sahirana ireo mpampiasa lalana nohon’ny filatsahan’ny « rampe d’accès » amin’ny tetazana
26 Aogositra, 13h15, Nilatsaka ny « rampe d’accès » ao amin’ny tetazana PK520 ao amin’ny lalam-pirenena faha efatra izay mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Mitaraina ireo mpampiasa ny lalana volatr’izany satria tsy maintsy miato vokatry ny fahasimban’ity tetezana ity. Tsy fantatra anefa na vokatry ny sotasota amin’ny fangalarana ireo « boulons de fixation » na noho ny tsy fahazaka ny vesatra eo amin’ny fiara mivezivezy no tena anton’izany. Nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fanarenana izany moa ny teo anivon’ny fitaleavana misahana ny asa vaventy sy ny ministera.
