Dépêches

Fampianarana ambony : Namaly ny fitakian’ireo mpianatra any ivelany hody eto an-tanindrazana ny fanajakana.

Dépêche 07 octobre, 14h, Miisa 30 ireo mpianatra any Maroc, Russie ary Indonésie no mikasa hiverina ety an-tanindrazana indray noho ny fahavitan’ny fianaran’izy ireo. Te hamelo-maso ny Firenena izy ireo ka nisafidy ny hiverina, misy olana anefa izany fodiana izany ka nangataka tamin’ny fitondram-panjakana izy ireo mba hanampy azy. Horaisin’ny fitondrana an-tanana ny fampodiana ireo mpianatra miisa 30 ireo. Fiantohana ny tapakila hodiana no hataon’ny fanjakana amin’izany ka ireo mpianatra tena nahazo mari-pahaizana avy amin’ny fianarana noratoviny ihany no horaisina an-tanana.

Laisser un commentaire