Polisim-pirenena : Hisy ny fametrahana takelaka ho an’ny toerana tsy azo alehan’ny zaza tsy ampy taona
Hisy ny fametrahana takelaka famantarana ireo toerana voarara tsy azo hidiran’ireo zaza tsy ampy taona. Izany no atao ho fiarovana azy ireo amin’ny karazana herisetra.
« Ho fiarovana ny zaza malagasy amin’ireo karazana herisetra mety hianjady amin’izy ireo no antony hametrahana ny takelaka. Ho fampahafantarana ny olona ihany koa fa mahavoasazy ny fitondrana na koa ny fahitana ankizy miditra amin’ireny toerana ireny » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena. « Hisy ny fametrahana takelaka ataon’ny Polisim-pirenena mandrara ireo ankizy tsy hiditra amin’ny toerana voarara ho an’ny zaza tsy ampy taona toy ny toeram-pandihizana, ny toerana hahitana zava-pisotro mahamamo ary ny toerana filokana. Anjarantsika ray amn-dreny ihany koa ny miaro ny zanatsika » hoy hatrany izy ireo.
Hita tokoa mantsy ny gaboraraka amin’ny fitaizana. Tsy mifidy taona intsony ny toerana sasany izay mety hahamohafady ny zaza.
Nicole Rafalimananjara
