ActualitésTsidika

Manandriana : Miantso ireo tokantrano tsy tratra nandritra ny fanadihadihana ny Kaominina

Ao anatin’ny fotoanan’ny fandoavan-ketra tanteraka ny ao amin’ny kaominina Manandriana amin’izao. Nisy ny fitetezan-trano nataon’izy ireo mba ahafahana manao ny taratasin-ketra hanamarinana fa tena tompony na mpandova.

« Mbola betsaka ny tsy trano tsy vita ary teo ihany koa ieo olona tsy tratra an-trano nandritra ny fanadihadihana natao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Antsoina mba hanatona ny biraon’ny kaominina izay tsy tratra an-trano rehetra mba ahafahana manamarina tsara ny taratasin-ketra, tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny avy eo » hoy ny tompon’andraikitry ny hetra ao amin’ny Kaominina Manandriana. « Hiteraka savorovoro eo tokoa raha tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny hetra tokony ho aloa ka tena ilaina ny makany amin’ny biraon’ny Kaominina » hoy i Vero, mponina ao Manandriana.

Manan-danja amin’ny fampandrosoana ny tanàna tokoa ny fandoavana hetra. Ampahany kely amin’ny fanana ihany ny hetra, ary tsy tokony hampitaraina ny fandoavana azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire