ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Tena lafatra ny fanaingoana ny tanàna

Efa misokatra ho an’ny rehetra amin’ny fomba ofisialy ilay zaridaina mahafinaritra eny Ambodivoara Ambohimangakely. Voaravaka jiro sy haingo maro samihafa ny toerana, ary hita fa efa akaiky tokoa ny krismasy sy ny fetin’ny faran’ny taona.

« Tanàna madio sy milamina ary mirindra no ilaintsika. Tongava miaraka amin’ny fianakaviana mitsidika ity toerana mahafinaritra tsy mbola fahita teto ity » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny  kaominina. « Tena mahafinaritra tokoa ny mandeha eto amin’ity toerana ity, indrindra fa amin’ny alina. Tena tsy mampino hoe ity ilay Ambodivoara taloha » hoy i Arsène, mponina ao Ambohimangakely.

« Nahita sary izahay fa niova be i Ambodivoara, dia tsy namelanay raha tsy hitanay ilay izy, aleo tokoa mahita toy izay tantaraina, fa tena kanto éry » hoy i Lafatra, mponina avy any Besarety. Tsara tokoa, ary tena manome fanantenana ny mponina ny toerana mahafinaritra sy maha te honina tahaka izany. Miainga ao amin’ny tokontrano ny fanaingoana, izay hanasana ny rehetra amin’izao fety manakaiky izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire