ActualitésTsidika

Alasora : Nahazo vatomamy ny mpianatra, menaka sy vary kosa ny an’ny mpampianatra Fram

Efa manomboka ny fizarana vatomamy ho an’ny mpianatra amin’izao fety izao ao amin’ny kaominina Alasora. Ny Lisea TASC sy ny CEG Alasora no nanombohana izany fizarana ny mamy izany.

« Hitohy manerana ny EPP 12 ato anatin’ny kaominina ny fizarana kilalao sy vatomamy mba hampifaliana azy ireo » hoy ny avy ao amin’ny kaominina izay manatanteraka ny fizarana. « Ny fizarana ny mamy dia firarian-tsoa sahady mba ho mamy tahaka izay ihany kao ny taona ho avy sy ny fety ary tsy adino amin’izao fety izao ihany koa ny mpampianatra Fram izay omena vary sy menaka » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy.

« Mankasitraka indrindra amin’ny fizaana tahaka izao fa tena mahafaly sy mahavelom-bolo ao anatin’izao krizy izao izany » hoy i Koly, mpampianatra Fram. Ao anatin’ny tontolon’ny fanabeazana tokoa no sehatra voalohany ahitana ny ankizy. Sady fanampiana ny fanabeazana ny tahaka izao no fanampiana ireo mpampianatra, izay manana tokantrano velomina ihany koa. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire