22 aprily, andro iraisam-pirenena ho an’ny tany
Tandidomin-doza ny tany noho ny asa ataon’ny olombelona kanefa ny tany no mamelona sy miantoka ny aintsika. Ny 22 aprily no andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny tany. Isan’ny miantoka ny fiainan’ny zanak’olona tokoa mantsy ny tany satria eo no ivelomany, eo no iainany, eo no ipetrahany, eo no hamboleny. Ny planeta tany no natokana ho an’ny olombelona izay miantoka ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavy ary izy irery ihany no mifanaraka amin’ny toetoetry ny olombelona. Anisan’ireo manimba ny tany ny doro tanety izay ataontsika, izay tsy isika ihany no hizaka ny vokany fa miara-mizaka izany ihany koa ireo zava-boahary tsy manan-tsiny. Mandritra izany andro hankalazana ny tany izany indrindra no hanentanan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ny mba hanarenantsika miaraka izay fahapotehan’ny tany. Koa andao hiara-hientana hiady amin’ny fanimbana ny rafitra voajanahary. Tsy voatery hiandry ny fanjakana isika vao afaka hiaro ny tany fa afaka miainga anatin’ny ankohonana misy ny tsirairay ka hanomboka hanabe ny taranantsika hikolokolo ny tany dieny mbola kely.
Nicole Rafalimananjara
