ActualitésTsidika

Masindray: Ekipa 44 nahazo fiofanana momba ny fanamboarana savony

Nisy ny fampiofanana fanamboarana savony ho an’ireo tanora, tao amin’ny kaominina Masindray. Ekipa 44 no niatrika izany ary nahavita nanovo fahalalana hatramin’ny farany, araka ny voalaza.

« Manomboka eto dia hamokatra savony ny eto Masindray. Vita soa aman-tsara ny fampiofanana fanamboarana savony ho an’ireo ekipa 44 mianadahy mianaka. Zava-dehibe tokoa izao satria hanala fahasahiranana no hiteraka asa fitadiavam-bola ho an’ny fianakaviana » hoy ireo tomponandraikitra.

« Tsy ny fanamboarana savony ihany no nataon’ireo tanora. Anisan’ny tombony azon’izy ireo ihany koa ny fanomezana torolalana sy izay tsara ho fantatra rehefa hanangana orinasa madinika, ny fitantana orinasa. Ankoatra izay dia afaka hampiofana ihany koa izy ireo » hoy hatrany ny fanazavana.

Nandritra ny roa andro moa ny fotoana nanatanterahina ity fampiofanana ity.

Laisser un commentaire