SocialTsidika

Mihena ny fividianan’ny olona ny hen’omby

Taorian’ny nahafantarana fa misy aretina ny omby amin’izao fotoana izao, nanomboka nihena ny olona najifa izany. Lasa tsy sahy mividy izany intsony ny olona nohon’ny tahotra ny aretina indray. Efa fantatry ny maro fa mifindra amin’ny alalan’ny fihinana ireo taovan’omby sy ny mombamomba azy ny aretina. Aleon’ny olona araka izany, manjifa ny hena kisoa nohon’ny hen’omby. Tsy mbola nisy anefa ny filazana mazava mahakasika ny famatsiana hen’omby. Mbola azon’ny tsirairay hatao hatrany ny manjifa izany eny amin’ireo fivarotan-kena. Mbola mandalo fitiliana sy fitsarana avokoa mantsy ireo hena rehetra amidy eto Antananarivo sy ny any amin’ny faritra rehetra vao hamidy. Afaka fantarina amin’ny alalan’ny fitomboka izany. Miteraka resabe mantsy ity henan’omby ity ankehitriny noho io aretina mbola tsy fahenon’ny maro firy io. Ny didim-panjakana ihany koa etsy ankilany no manamafy fa tsy mivvoaka ny faritra misy azy ireo omby fantatra fa marary. Mampiahiahy ny mpanjifa anefa ny mety hidiran’ny hen’omby antsokosoko any amin’ireo toeram-pivarotana na eo azan y fanomezana toky misy ny fitiliana izay hatao. Eo amin’io olana io no tsy hasahian’ny mpanjifa mividy io hena io. Mitaraina vokatr’izany anefa ireo mpivaro-kena ary miezaka mandresy lahatra ny mpanjifa saingy tsy ahitam-bahaolana mihitsy izany. Izany indrindra no mahatonga ny mpitsara hena manamarina fa mbola ara-dalàna avokoa ireo hena rehetra amidy eny amin’ny mpivarotra. Ilaina hatrany kosa ny fitandremana eo amin’ireo vokatra avy amin’ny omby toy ny ronono sy ny maro samihafa.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire