Mila manasa tanana matetika na mampiasa « gel désinfectant »
Efa tafalatsaka anaty tahotry ny Covid-19 ny vahoaka Malagasy indrindra ny eto Antananarivo, ny tany Toliara aza tsy tonga saina raha tsy nisy ireo mpampianatry ny Oniversite maty tsy nino fa nieritreritra foana hoa aretin’ny tandrenivohitra izany. Miaro tena araka izay tratrany ny olona, ao ny manasa tanana amin’ny rano sy savony fotsiny satria tsy mahataka ny gel désinfectant. Tsy efan’ny besinimaro tokoa mantsy ny vidin’ireto farany izay mahatratra hatramin’ny 17 000 Ar ny tavoahangy 500 ml amin’ny « gel » na ny « solution hydro-alcoolique » izay hanadiovana ny tanana. Mitentina 3 000 Ar kosa ny kely fitondra mandeha azo atao am-paosy. Ireo mantsy ny fitaovana fiarovana amin’ny aretina akoatran’ny arovava orona. Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’izany ankehitriny ka mila tsy ho voavidin’ny akamaroan’ny olona intsony. Aleon’ny olona mividy savony satria mahazo manomboka ny 300 Ar ary efa fampiasa ao an-trano ihany aza izany. Koa mety avokoa raha manasa tanana matetika amin’ny rano sy savony na mampiasa gel fa aoka ny arovava orona mba tsy ho esorina n’aiza n’aiza misy anao. Arovy hatrany ny tenanao ary arovy ny hafa samia mifanentana ny eny amin’ny fiaraha-monina eny.
Nicole Rafalimananjara
