CultureTsidika

Tantara : Avy aiza ilay fiteny hoe « Ambaniandro » ?

Ny Mpanjaka teto Imerina taloha no tena nampiasa io anarana « Ambaniandro » io ho an’ny vahoakany. Ny Mpanjaka dia tsy maintsy manana Ombiasa mitaiza azy. Mazava ho azy fa tsy maintsy misy dikany ara-panahy avokoa ny resaka avoakany sy ny fihetsika ataony.

Isika Malagasy dia mino ny Zanahary ary anisan’izy ireny ny Masoandro. Tsy fanoharana fotsiny anefa toy ny fahafantarantsika ilay hoe « Masoandro amam-bolana ny Ray aman-dreny ». Ny Mpanjaka dia toy ny Zanahary eto an-tany ary ny Masoandro no lohalaharana indrindra amin’ny Zanahary manodidina ny tontolo misy antsika. Mbola manana Ray aman-drenibe izy fa raha isika izao dia izy no lohany.  Toy ny Masoandro ny Mpanjaka ara-toetra izany hoe Hentitra, tsy refisi-mandidy, izy irery no mahazo miravaka ny loko mena tokambolo. Masoandro no mena izay no mahatonga ny vintana Adaoro ho mena ny lokony ary mamay izy sady Afo no hoentiny na vintana Tany aza izy. Ireo vahoaka rehetra ambanin’ny Mpanjaka (ara-pitondrana) no sokajiana fa « Ambaniandro », satria ny Mpanjaka no Masoandro ety an-tany.

Tsy tokony hisy hatezerana arak’izany fa fanaovan’ny olona fa « Ambaniandro » ny Merina satria noho ny fanompoana ny Mpanjaka nisy teto no nihavian’ilay anarana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire