Tena nisy nikasa hamono tokoa ve ny filoham-pirenena ?
Ny Angence Taratra no namoaka voalohany ny mikasika ireo fikasan’olon-dratsy tsy fantatra mazava fa kosa efa nisy notanana am-ponja ireo saika hamono ny filoham-pirenena Malagasy. « Tsy hatao hampihemotra manoloana ireo tetik’asa maro izany » hoy i Patrick Rajoelina, mpanolon-tsaina akaiky ny filoham-pirenena.
Betsaka ireo sampana nanameloka tanteraka ny fikasana hamono ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina. Tsy vitsy kosa ireo naneho hevitra nanoloana izany. « Te hamboly korontana fotsiny eto amin’ny tany sy ny firenena fotsiny izao izay tena mifanipaka tsotr’izao amin’ny fenitry ny Demokrasia » hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa. Naneho ny heviny ihany koa ny vovonana Isika Rehetra Miaraka amin’ny Andry Rajoelina na ny IRMAR ka niteny hoe « Manameloka amin’ny fomba rehetra ny fitetehan’olom-bitsy hametraka ny adilahy politika ho ambonin’ny tombontsoan’ny Malagasy manontolo mba ahafahan’izy ireo manao ampihimamba ny harem-pirenena izahay ». Nilaza ihany koa ny mpandinika fiaraha-monina, Paul Rabary fa « Ny politika azo atao foana. Ny adihevitra tokony hangotraka. Ary ny hevitra koa tsy voatery mitovy. Fa na inona na inona fahasamihafana, na inona na inona tsy fitovian-kevitra amin’ny filoha Andry Rajoelina dia samy Malagasy ray sy reny isika. Koa aoka atao anaty fifanajana sy fanajana ny andrimpanjakana misy izany ».
Tsy nangina ihany koa ireo avy ao amin’ny Masoivohon’i Suisse ary naneho ny heviny ka nanambara fa « Tsy vahaolana ny fanaovana herisetra amin’ny teti-dratsy hifofo ny ain’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ». Marihina fa vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny sampam-pitsikilovana Amerikanina no nahafantarana izany teti-dratsy saika hamono ny filoham-pirenena Malagasy izany hoy ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys. Mersenera teratany vahiny 3 sy teratany Malagasy 3 no voasambotry ny Polisy manodidina izao raharaha izao, hoy izy. Ary nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika sy vola ary antontan-taratasy porofo maromaro izy ireo hoy hatrany izy. Inona no tombontsoa ho azo raha maty ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ?
Tetsy an-kilan’izany rehetra anefa misy ireo milaza fa tsahotsaho sy resabe entina hantsarana fotsiny ny filoham-pirenena izao satria amin’izay mba hoe tian’ny olona izy satria misy mankahala. Fika entina handotoana ny sain’ny Malagasy fotsiny izao mba hilazana fa miasa tsara ny filoha ary be mpialona hoy ny mpanara-baovao sasany satria tahaka ny nolazain’ny Minisitry ny serasera mantsy hoe « Matoa ianao misy manenjika dia miasa tsara izay ». Ao koa ireo milaza fa honohono fotsiny izao fa tsy mitombona akory izany izay entina hanasoketana olona fotsiny na tantara noforonina. Amin’izay hankalazaina fa misy fanonganam-panjakana eto amintsika ary tsy maintsy hitodika any amin’ireo antoko mpanohitra ny sain’ny rehetra ka haloto « dossier » ireo mpanohitra hoy i Voahirana, mpivarotra. Politika fotsiny ve izao sa tena zava-misy marina ?
Nicole Rafalimananjara
