Hisy ny fahatapahan’ny lalana Antanetibe Mahazaza mandritra ny 15 andro
Ho tapaka ny lalana mampitohy an’i Mahitsy sy Antanetibe Mahazaza manomboka ny 28 jolay izao mandritra ny 15 andro, manomboka eo Bejofo hatrany Antanetibe. Izany dia noho ny fanamboaran-dalana any an-toerana izay niaraha-niasa tamin’ny firenena sinoa nanomboka ny taona 2017.
Raha tsiahivina dia efa tamin’ny fitondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina no vita ny soniam-pifanarahana ny amin’ny fanamboaran-dalana any Antanetibe Mahazaza izay antsoina hoe « lalan’ny atody » noho ity toerana ity isan’ny mpamokaratra atody betsaka indrindra eto Antananarivo.
« Mety hananosarotra kely ny fitaterana ireo vokatra aty Mahazaza io fahatapahan’ny lalana io satria tsy maintsy hitady lalana lavitra hampitana ny atody ho any an-drenivohitra izao » hoy ny mpiompy iray. « Tsy maintsy miaritra kely isika mba hijerena ny tombontsoa iombonana satria rehefa vita io lalana io dia ho mora ny hahamoahana ireo vokatra eto amin’ny kaominina » hoy ny solontenam-panjakana any an-toerana. Nanamafy kosa ireo tompon’andraikitra amin’ny fanamboaran-dalana fa « mbola maharitra 3 taona eo vao ho vita tanteraka ny asa ka mandrapahatongan’izay dia mety hisy foana ny fifandaminana apetraka miaraka amin’ny Kaominina mikasika ny fampiasana ny lalana ».
Na izany aza anefa ny vokatra tsy maintsy taterina noho izy miantoka indrindra ny fiveloman’ny olona, tsy tokony hatsahatra ny fifamoivoizana ka tokony hisy hatrany ny vahaolana atolotra manoloana ny fahatapahan’ny lalana. Hanao ahoana ny hoavin’ny Kaominina raha vita tanteraka io lalana io ?
Nicole Rafalimananjara
