ActualitésTsidika

Nahazo fitaovana vaovao ny CHRR Bongolava

Nahazo fitaovana vaovao, izay ahitana « table opératoire, scope de surveillance, tococardiographie, bistouri électrique, couveuse, table métallique, onduleur », ny « Centre Hospitalier de Référence Régional » (CHRR) ao Bongolava, izay vokatry ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny Japan International Cooperation Systeme (Sinus corporation) sy ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Hanampy betsaka amin’ny famonjena ny ain’ireo marary sy izay tonga ai amin’ny hopitaly ireto fitaovana ireto.

« Miezaka hatrany izahay ny amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy ho fanatanterahana ny velirano fahadimy » hoy ny Ministra Rakotovao Jean Louis Hanitrala. « Mankasitraka izao fanomezana izao izahay satria tsy nanadino anay tokoa ianareo fa mitsinjo hatrany ny fahasalam-bahoaka aty Bongolava » hoy ny solontenan’ireo mpitsabo any an-toerana. « Mahafaty ain’olona vetivety mihitsy ny tsy fahampian’ny fitaoavana sy ny fahelan’ny fomba fiasa, koa tsara raha ampy hatrany ireo fitaovana entina hitsaboana manerana ny toeram-pitsaboana rehetra » hoy i Seheno, mpianatra ho mpitsabo hivoaka tsy ho ela.

Zava-dehibe tokoa ny fahasalamana ary sambatra ny olona salama, koa izany indrindra no tena tokony handehanana avy hatrany any min’ny hopitaly mba hanarahana maso ny fahasalaman’ny tsirairay. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire