Ankadikely Ilafy : Nasiam-panamboarana ny EPP Antsahamarofoza
Nohavaozina sy nohatsaraina ny EPP Antsahamarofoza ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy Avaradrano. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 18 novambra 2021 lasa teo ny asa fanamboarana sy ny fanavaozana izany sekoly ambaratonga fototra izany.
« Izao fanatsarana izao dia fanomezana avy amin’ny Gemfields Foundation, ary ny Rexma na Réseau Experts Malagasy no angady nanana sy vy nahitana izany ka tena isaorana indrindra izy ireo » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. « Nahazo efitrano fianarana iray hafa ihany koa izahay ankoatran’ny efa fanavaozana ny nisy teo aloha ary efitrano fivoriana ho an’ny mpampianatra, toeram-pidiovana ary efitrano fikarakarana sakafo ho an’ny mpianatra izay vatsiana Biogaz vokarina eo an-toerana ihany, miampy ny fanatsarana ny famatsian-drano ny sekoly » hoy ny talen-tsekoly tany an-toerana. « Mila fampandrosoana sy fampiroboroboana tokoa ny lafin’ny fanabeazana eto Madagasikara satria hita fa latsaka ambany izany amin’izao, ka ny fiaraha-mientantsika rehetra no hahatontosan’izany » hoy i Lova, mpampianatra.
Mitohy hatrany ny ezaka fampiroboroboana ny sekoly na ara-pitaovana izany na ara-kalitao, na ara-bola. Tsy ny eny amin’ny fianarana fototra ihany anefa fa eo indrindra ny eny amin’ny ambaratonga ambony izay tena andry iainkinan’ny firenena hivoahan’ireo manam-pahaizana.
Nicole Rafalimananjara
