ActualitésTsidika

SSMAF : Ambohim-pihaonan’ny rehetra

Miavaka hatrany ny hetsika Suburban Sport Music & Art Festival (SSMAF) amin’ity andiany fahatelo ity. Efa fahombiazana hatrany tamin’ny andiany teo aloha saingy mbola fahombiazana mihoatra noho izany no andrandrain’ny mpikarakara amin’ity hetsika andiany fahatelo ity.

« Ny fahombiazan’ny hetsika voalohany indrindra mba ahafahana manohy sy manatanteraka ny hetsika amin’ny fotoana manaraka. Eo ihany koa ny fahombiazana eo amin’ny mpandray anjara, hahafahan’ny mponina ety Ambohimanga kely mampiseho ny fahaizany miara-misalahy amin’ny zavatra iray. Tsy ambakan’izany ny fampiroboroboana ny fahasamihafa izay ahafahana mamoaka zavatra tsara hatrany », hoy i Hasina, mpikarakara.

« Fotoana iray nahafahako namboly fifandraisana vaovao tamin’ireo olona ety amin’ny tanàna misy ahy kanefa mbola tsy fantatro ny SSMAF. Tena fotoana iray ahafahana mahazo namana ihany koa izy io noho ireo hetsika maro be ahafahana mandray anjara sy ahafahana mahazo namana », hoy i Mendrika, mpandray anjara tamin’ny SSMAF 2021.

Marihina fa tsy hanavahana sarangan’olona ity hetsika ity. Hetsika misy sehatra maro azo handraisana anjara satria maharitra ela sady isan-karazany ireo taranja ahafahana mandray anjara. Izay tsy mahazo loka dia mahazo namana vaovao hifampizarana ny zavatra mahaliana.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire