Ankadikely Ilafy: Amam-bolana tsy nisy nanala ireo fako
Mitohy hatrany ny antso avo sy ny fitarainana ataon’ireo mponina ao Ankadikely Ilafy, mahakasika ny fivangongon’ny fako ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Tsy fokontany iray ihany no ahitana izany, fa efa maro ao an-toerana no amam-bolana tsy nisy naka ireo fako ka miteraka fanelingelenana amin’ny sehatra maro, araka ny voalaza.
« Efa ela nitarainana ny mponina fa hatramin’izao tsy mbola nisy ny fandraisana andraikitra. Ny tena mahavariana, rehefa misy olona handevina amin’ireo toerana be fako ireo vao tonga manadio ireo tomponandraikitra » hoy i Hery, mponina ao Ankadikely Ilafy.
« Miantso ny tomponandraikitra fa tena sady miteraka fofona ratsy no mibahana arabe ny fako. Ny tena olana ho anay mpivarotra ety amin’ny manodidina na atao aza ny fanadiovana isa-maraina tsy maharisika ny mpividy intsony ireo loto ety » hoy i Fanja, mpivarotra.
Miteraka voka-dratsy maro, na eo amin’ny tontolo iainana na eo amin’ny fahasalamana ny fahabetsahan’ny fako. Tsy izay ihany fa manaratsy endrika ny tanàna ihany koa. Mila fandraisana fepetra araka izany ny mahakasika izao zava-misy izao.
Manitra R.
