ActualitésTsidika

Mampikony : Mila fanarenana ny fampianarana sy ny fotodrafitr’asa ao Antsiraka

Natao handresena ny habadoana sy ny fanabadoana ny fampianarana. Trano fotaka iray mitafo bozaka tsy misy varavarana no nataon’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tao Antsiraka Mampikony.

« Dabilio miisa 15 no hita ato. Mpiantra 212 no mianatra ato izay kilasy T1 hatramin’ny T5. Trano tsy misy efitra fa tsy maintsy nozaraina roa mba hizaran’ireo mpianatra » hoy ireo mpampianatra miisa roa. « Tena mahonena tokoa izao ‚ toerana hanovozam-pahalalana ‚ mitovy amin’ny tranon’akoho. Ireo ankizy ireo anefa no andraindraina sy antenaina hitondra firenena ary hampakatra avo an’i Madagasikara » hoy i Ahitantsoa André, filohan’ny Plateforme des Jeunes Mampikony sady Filohan’ny fikambanan’ny Tanora Olombanona. Manao antso avy amin’izay afaka manampy noho izany ireo mpampianatra sy mpianatra ary ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ity sekoly ity mba hampianarana ny mpianatra amin’ny toerana sahaza izany.

Sarotra, ary heverina tsy ho tanteraka izany nofinofintsika hanadratra avo ny fampianarana mba hanarenana ny firenena raha mbola izao no manjo ny ankizy any ambanivohitra. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire