SocialTsidika

Fahasalamana : Inona no tokony ho atao raha sendra tratran’ny « fanintona » ?

sy tokony andosirana ireny olona mifanintona ireny. Mila antsika olona salama hanampy azy izy ireo. « Tsy tokony afindra toerana ny marary. Tsara raha esorina miala azy ireo izay mety hampidi-doza rehetra. Tsy azo hampidirana na inona na inona ao am-bavany, eny fa na ny zava-pisotro aza, rehefa mifanintona izy » hoy i Hery, mpitsabo.

« Tsy misy tokony hatahorana ireny mihetsika fanintona ireny. Tsy mifindra akory ny androbe. Ny tsara aza dia ny manampy sy manome tanana azy ireo lalandava » hoy i Laingo, mpianatra ho mpitsabo eny amin’ny anjerimanontolo. « Betsaka ny mihevitra fa rehefa hanipazana zava-maitso ny olona mifanintona dia sitrana. Diso anefa izany : tsy azo anipazana ravi-maitso izany ireny olona ireny » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Tsara esorina ihany koa ireo izay maneritery ny olona mifanintona toy ny solomaso. Tsy azo sakanana ny fihetsiky ny ratsam-batany. Mila zavatra malemilemy ao ambanin’ny lohany no ahorirana izy.

Tsara raha mahatsiaro tena mihitsy izy vao miala eo isika. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire