Ambohimalaza : Olona miisa 12 no nidoboka am-ponja taorian’ilay vono olona miisa roa niseho teny Imerikiasinina
Taorian’ny fitsarana mahakasika ilay raharaha famonoana olona roa, tao Imerinkiasinina, dia ilay lehilahy mpanara-mason’ny hetra sy ilay vehivavy mpiaraki-draharahan’ny fitsarana, izay niseho ny Alatsinainy 14 novambra lasa iny, olona miisa 12 no voarohirohy sy noahiahiana nandray anjara mivantana sy ankolaka tamin’ity raharaha ity, ka notazomina am-ponja vonjimaika avy hatrany.
« Tsy ilay tera-tany sinoa izay voalaza ho ati-doha nikotrika sy ilay polisy mpiana-draharaha izay nitifitra ihany no tao ambadiky ny famonoana ireo olona ireo fa mbola nisy olona 10 hafa ihany koa, izay vehivavy ny iray amin’izy ireo ». Hoy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena.
« Maro ireo trangana volo olona miseho amin’ny endrika mahatsiravina tato ho ato. Izay hanaingana ireo mpitandro ny filaminana sy ireo manam-pahefana isan’ambaratongany mba hampajaka ny ara-drariny indrindra eo amin’ny fanomezana sazy enjana ho an’ny mpamono olona mba tsy hiverenan’izany matetika » hoy i Tafita, mponina ao Ambohimalaza.
Ny 22 novambra lasa teo no moa niakatra ny fampanoavana ity raharaha ity. Ny 11 amin’ireo olon-dratsy ireto izay voatazona eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy, ny iray kosa eny amin’ny fonjan’Antanimora, dia ilay vehivavy. Araka ny voalaza hatrany, mpitandro filaminana amperinasa ny 4 amin’ireo nahavanonana ny loza.
Manitra Ramanantsoa
