Pays de Galles : Mpianatra iray no nahazo naoty tsara dia tsara noho ny fampiasana ny ChatGPT
Mpianatra iray tao amin’ny oniversite Cardiff ao Pays de Galles no nampiasa ny ChatGPT mba hanampy azy hanao enti-mody. Rehefa nanome valiny azy io « intelligence artificielle » io dia tsy nadikany be fahatany ny lahatsoratra nomen’izany fa namboarimboariny. Manoloana izany dia nahazo ny naoty ambony indrindra tao an-dakilasiny io mpianatra io. Marihana fa efa tsara naoty hatramin’izany io mpianatra io fa nanampy tosika azy fotsiny ny ChatGPT.
Mpianatra maro hafa ihany koa no mampiasa io « intelligence artificielle » io amin’izao fotoana, hamintina na hanoratra valina laza adina. Mpianatra iray no nilaza fa tafiditra ao amin’ny fomba fiasany vaovao mihitsy izany ka tsy hitsahatra ny hampiasa izany izy raha mbola afaka. Azo saziana nefa ny fampiasana io fitaovana iray io ary fandikana ny fitsipiky akademika izany hoy ny tompon’andraikitry ny oniversite Cardiff.
