ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Naneho ny fahaizany tamin’ny alalan’ny ranty ireo tanora

Nisy ny fanehoana fahaizana na fampirantina nentin’ireo tanora havanana sy mana-talenta amin’ny fanaovana sary, tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Ny alarobia lasa teo, naneho fampirantina izany ireo tanora, ao anatin’ny C’artBon team, izay azon’ny rehetra nojerena.

 » Anisan’ny mbola olana eto amintsika amin’izao fotoana, vitsy ireo olona no sahy mitsidika ireo toerana fanaovana fampirantina isan-karazany, mety noho ny tsaho sy ny hevi-draikitra ka tsy mahita ny hatsara sy ny fahaiza-manaon’ny tanora ka tena zava-dehibe izao fanehoana ankalamanjana izao mba ahitan’ny maro izany kanto izany » hoy i Antonio, mpanao sary.

« Tena mahafinaritra ny mahita ny fahaizan’ireo tanora sy ny fiangalian’izy ireo ny talenta hananany. Hetsika tsy dia fahita firy ny tahaka izao ary miavaka ka dia hisaorana ireo mpikarakara nanatontosa izany » hoy i Tolotra, mponina ao Sabotsy Namehana.

Maro tanora manana talenta sy fahaizana ny kaominina Sabotsy Namehana. Tahaka izany ity sehatry ny fanaovana sary ity, miha mahazo vahana ary mivoatra hatrany izany ankehitry. Mila fanohanana sy fikarakarana anefa izy ireny mba hioharany hatrany.

Manitra R.

Laisser un commentaire