La Réunion : Hozaraina maimaim-poana ho an’ny vehivavy latsaky ny 25 taona ny fiarovana amin’ny fadimbolana
Nandritra ny fitsidihany tao La Réunion dia nanamafy ny minisitry ny miralenta, Isabelle Lonvis-Rome fa ho maimam-poana tokoa ny fisitrahana fiarovana amin’ny fadimbolana azo averina ampiasaina ho an’ny vehivavy latsaky ny 25 taona manomboka ny taona 2024 izao. Ho araisain’ny fiahiana ara-tsosialy an-tanana izany raha ny fanazavany.
Noraisina io fanam-pahan-kevitra io manoloana ny ankahamaroan’ireo vehivavy tsy manana fahefa-mividy io fitaovana io isam-bolana. Maro nefa ireo vehivavy tsy tadiditra ao amin’io sokajin-taona napetraka io mangetaheta ny hisitraka izany famatsiana fiarovana amin’ny fadimbolana izany ihany koa. Nilaza ny solo-tenan’izy ireo fa tokony hisitraka izany avokoa ireo vehivavy rehetra hatramin’ny maha « ménopause » azy.
