Ankadikely Ilafy: Nisy ny tagnamaron’ny fandriampahalemana tao Ambohibe
Nirotsaka an-tsehatra nanentana ny mponina ao amin’ny fokontany Ambohibe ny avy amin’ny zandarimaria ao Ankadikely Ilafy, ny alarobia teo, amin’ny fanatanterahana ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Hetsika iray ahafana miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana moa no anton’izao, raha ny voalaza.
» Ao anatin’ny ezaka ataon’ny zandarimaria, ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany dia ilaina ary zava-dehibe ny fiaraha-mientana eo amin’ny zandary sy ny mponina amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ka izay no antony fanentanana sy fampahafantarana ahafahan’ny tsirairay mandray andraikitra » hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.
» Mamay ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Hisaorana ny zandary amin’ny firotsahana an-tsehatra sy ny fandraisana andraikitra. Hirariana mba hisy vokany tokoa ny fanatanterahana izao tagnamaron’ny fandriam-pahalemana izao » hoy i Liva, mponina ao Ambohibe.
Ao anatin’izay tagnamaron’ny fandriam-pahalemana izay moa dia misy ireo paik’ady sy hetsika hapetraka enti-manatratra sy manenjika ireo mpanao asa ratsy. Raha apetraka isam-pokontany tokoa ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana, mety ho foana tsikelikely ny asa ratsy eny ifotony eny.
Manitra R.
