Ambohimangakely : Ritra avokoa ny ankahamaroan’ny vovon’ny mponina
Tsy mbola nahasahana toerana maro ny rotsak’orana. Maro be ireo nankasitraka izany saingy mbola maro ihany koa ireo miaina ao anaty tsy fahampian-drano. Asina lasibatra amin’izany ny tànanan’i Ambovokely sy Antanambao Ambohimangakely.
« Na vovo na loharano dia tsy misy ho taomina intsony » hoy i Hanitra, mponina ao an-toerana. « Mbola midangana ihany koa nefa ny vidin’ny rano etsy andaniny » hoy kosa i Modeste. Misy mivarotra 100 hatramin’ny 300 ariary izany ao amin’ny tànana sasantsasany saingy efa mahatratra 600 kosa ho an’ireo tànana hafa toy ny ao Andranovao.
Miantso ireo tompon’andraikitra izy ireo mba hijery azy manokana. Indroa isakin’ny herinandro, amin’iray maraina mantsy raha ny fitarainany vao mahazo rano.
Hasina Rasamimanana
