ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Miandry ny fandraisaina andraikitra manoloana ny tsy fandriam-pahalemana

Tànana iray ao Ambohimangakely i Ambovokely. Hisehoana trangana tsy fandriam-pahalemana matetiteka izy. Vao ny 25 novambra teo indray no nisehoan’izany tao antsinaninanin’ny tànana.

« Amin’ny roa ora maraina aho no mahare ny antsoantso hoe mpangalatra sy feon-kiririoka » hoy i Zo, mponina ao an-toerana. « Efa ho lava kosa ny ilay fisiana mpangalatra nefa toa tsy misy mandeha ifotony mihitsy ireo zandary » hoy kosa i Mino, monina ao Ambovokely ihany koa. Efa nilaza kosa ireo tompon’andraikitra fa efa miroso amin’ny fandraisana andraikitra manoloana ireo fanafihana ireo. « Ny fametrahana andrimasom-pokonolona ihany no vahaolana haingana » hoy i Rado, mpandinika ny fiaraha-monina. Marihina fa manodidina ny amin’iray ora maraina foana ireo mpangalatra ireo no manafika ka hiandry ny manam-pahefana hifoha amin’ny torimasony ve vao handray andraikitra ?

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire