Dépêches

Efa tonga eto amin’ny firenena ny Vaksiny PFIZER 398.970 fatra avy amin’ny governemanta amerikana

26 Novambra, 10h10. Vaksiny ASTRAZENECA, JANSSEN, SINOPHARM ary PFIZER no tapaka taorian’ny fakan-kevitra tamin’ny « Académie Nationale de Médecine de Madagascar – ANAMEM » fa hiadiana ny Covid eto Madagasikara. Efa noraisina tamin’ny fomba ofisialy ny 25 novambra 2021 teo teny amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato ny vaksiny PFIZER 398.970 fatra avy amin’ny Governemanta Amerikanina, tamin’ny alalan’ny mekanisma COVAX. Efa mahatratra 1 000 000 mahery ny fatrana vaksiny hiadiana amin’ny Covid nomen’i Etazonia an’i Madagasikara.

Laisser un commentaire