Vatofotsy Antsirabe : Tratra ilay ramatoa iray voalaza fa mpangala-jaza
22 Aprily, 10h00. Zazavavy kely antsoina hoe Nacya, 03 taona no tsy hita teny Vatofotsy Antsirabe raha naka paoma tamin’ny mpivarotra iray tsy lavitra ny fonenany ary tsy niverina intsony. Natao ny fitadiavana azy ary namoahana ombay mitady tamin’ny tambajotra sosialy izany. Tsikaritr’ireo nitady ilay zaza nefa fa nisy vehivavy iray nitrotro ny zaza nandeha niakatra taxibe. Nosakanana avy hatrany ity farany izay naninzingizina ho renin’ilay zaza.Vaky vava ihany nefa izy fa vehivavy 03 izy ireo no manao io asa fangalaran-jaza io ary efa namidiny hatramin’ny zanany naterany. Feno finday maro be ihany koa tany aminy, hoy ireo nanatri-maso. Efa seo am-pelatanan’ny manam-pahefana kosa io vehivavy io.
