Dépêches

Bongolava: Lehilahy iray 50 taona maty tany Kiranomena

14 Desambra, 10h30. Lehilahy iray tokony ho 50 taona nandeha moto no hita faty novonoin’olona ny alatsinainy 13 desambra 2021 lasa teo. Raha izy an-dàlana hamonjy fodiana any Kiranomena iny, teo amin’ny toerana atao hoe Amparihimanga, 3km tsy hidirana an’i Kiranomena no notaperin’ireo tsy mataho-tody ny ain’ity raim-pianakaviana ity.

Laisser un commentaire