Fampianarana: Eo amin’ny “parking Akoor Digue” no hanatanterahana ny “salon des études internationales »
Dépêche 27 février, 13h30, Hotanterahina ny 01 sy 02 martsa izao ity hetsika « salon des études internationales » izay karakarain’ny “Madajeune” ity. Toy ny isan-taona dia hifamotoan’ny mpianatra, tanora, Ray aman-dReny ary ireo toeram-pianarana rehetra indray izy ity. Fanomezana toro-lalana sy fampahafantarana ny toeram-pianarana any ivelany rehetra izay miombona amin’ny “plateforme” iray ity sehatra ity. Hisy ihany koa ireo torohevitra mahakasika ny fanomanana taratasy isan-karazany ilaina amin’ny fivoahana any ivelany.
