Mandoto : Mpianaka maty nilatsaham-potaka
Dépêche 10 novembre, 11h30, Lehilahy iray 41 taona sy ny zanany vavy iray 15 taona no maty nilatsaham-potaka tany Mandoto, Fokontany Ambohimena. Handeha hody avy any an-tsaha miaraka amin’ny omby izy telo mianaka no izao nilatsahan’ny varatra izao. Tsy naninona kosa ilay zanany lahy 17 taona niaraka tamin’izy ireo. Tsara hatrany moa ny mampitandrina fa tsy azo atao ny manakaiky loatra ny omby, hazo, ary fefiloha na tanimbary rehefa mikotroka ny andro fa toerana misintona varatra ireny toerana ireny. Anantin’izany ihany koa ny mihazakazaka sy mampiasa vatana be loatra satria anisan’ny misintona varatra ihany koa ny fofon’aina mafana loatra.
