Dépêches

Toamasina : Jiolahy 3 mpanao fanafihana mitam-piadiana tratran’ny Polisy

Dépêche 07 novembre, 13h, Zary lasa tsy milamina intsony ny tanànan’ny Toamasina amin’izao fotoana izao. Matetika ahatrarana jiolahy foana tao anatin’ny herinandro maromaro izay. Toy ity tranga vao niseho ity indray izay nahatrarana jiolahy miisa 3. Efa olona maro no nametraka fitoriana noho ny hataon’izy ireo ka izao tratra izao, ireto jioalhy ireto izay efa rain-dahiny ka mitondra fitaovam-piadina mihitsy rehefa manao izany asa ratsy izany. Tsy kely lalana ny ratsy ka na efa misy voasambotra toy izao aza ny olon-dratsy sasany dia ilaina hatrany ny fahamailoana.

Laisser un commentaire