Toliara : Nisy fanakanan-dalana
14 Desambra, 10h00. Fiara 4×4 iray avy Bekily hihazo an’i Toliara no nosakanan’ny jiolahy teo Vatolatsaka Distrikan’i Betsioky. Naratra vokatry ny tifitry nataon’ireo dahalo ny tarehin’ny ankizivavy 16 taona tao anaty fiara.Raim-pianakaviana iray kosa no voan’ny bala teo amin’ny tanany.
