Antsohihy : Tovolahy mpamaky trano nitolo-batana
22 Aprily, 09h00. Entana niparitaka tao anaty ala ny marainan’ny alakamisy teo no tazan’ny fokonolona mipetraka manodidina ny tanànan’Analamanga ‚ Fokontany Ankiririky Nord II . Nampandre ny tompon’andraikitra teo anivon’ny Fokontany izy ireo ary nanangona ny entina nandrapaha hita izay tompony. Taoriany filazam-baovao niely teo anivon’ny fokontany momba izany dia nisy tovolahy nilaza ho tompon’entana saingy raha ny filazany dia entana nangalariny tao Beloy sy Tsaravaiavy ireo. Nohazonin’ny mpitandro filaminana tao an-toerana moa izy mba atao famotorana.
